Fanofanana araka asa: tanora 200 ofanina maimaimpoana momba ny asa amin’ny sehatry ny aterineto

  • 28 janvier 2024

Nahatratra 1 500 ny tanora naneho fahavononana handray anjara amin’ny fiofanana faobe momba ny asa amin’ny tontolon’ny aterineto karakarain’ny minisiteran’ny Fampianarana tekinika sy ny Fanofanana araka asa eto Antananarivo. Izay manaporofo fa mila fiofanana ary te hiditra amin’ny sehatry ny asa ny tanora malagasy, araka ny fanazavan’ny minisitra Lalatiana Rakotondrazafy.

200 tamin’ireo no zakan’ny toerana, ary voaray sy afaka nanaraka fiofanana avy hatrany nanomboka androany 26 janoary 2024 etsy Ampefiloha. Asa anisan’ny miroborobo amin’izao fivoaran’ny tenolojia vaovao izao no ampitana traikefa amin’izy ireo, toy ny asa amina ivon-torana antso “Call center”, varotra an-tranonkala (web marketing), asa amin’ny tontolon’ny mailaka ( mailing) sy ny maro hafa. Orinasa am-polony no efa misehatra amin’izany eto Madagasikara ankehitriny, ary tsy latsaky ny 15 000 ny tanora mahazo asa mivantana.

Andiany voalohany izao fanofanana araka asa faobe nandraisana tanora 200 izao, fa mbola hisy ny andiany manaraka ary hitatra amina faritra maro, hoy ny minisitra. Tanjona ny hahafahan’ny tanora miditra amin’ny sehatry ny asa avy hatrany.

Ankoatra izay, ezaka imasoanakoa, hoy ny minisitra, ny fanarenana ny fotodrafitrasa potika toy ny toeram-piasana sy toeram-piofanana eo anivon’ity minisitera ity.

Partagez :
Romuald