Fandriampahalemana : nametrahana Brigade Routière Spécialisée ny RN2

  • 20 août 2021

Miampy ny iraka hiandraiketan’ireo « brigade routière » eo anivon’ny zandarimariam-pirenena izay miasa eny anivon’ny lalam-pirenena eto Madagasikara ary efa misalotra ny fiantsoana azy vaovao izy ireo  ka lasa hoe «  Brigade Routière Spécialisée » (BRS).

Antom-pisian’ny BRS ny hiaro ireo mpampiasa ny làlam-pirenena rehetra ka hiaro ny mpanjifa ny làlana rehetra amin’ny mpanendaka, ny mpamaky fiara, ny mpangalatra na amin’ny karazana fanararaotana ka manointoina ireo olona mampiasa sy manamorona ny làlam-pirenena.

Ireo faritra ametrahana ny BRS dia nomena ny anarana hoe « Aires de Service, de Sécurité et de Repos » ( ASSR). Efa maro ireo làlam-pirenena nametrahana ny BRS hatramin’ny namoronana azy ity ary vao notokanan’ny Filoha Rajoelina Andry androany 20 aogositra ny fametrahana azy ity tao amin’ny làlam-pirenena faharoa (RN2). ( Com SEG).

Araka ny tapaka nandritry ny Filan-kevitry ny Governemanta ny 18 aogositra lasa teo dia hametrahana BRS koa eny amin’ny RN7 ka ao Bevilany no hametrahana izany.

 

Partagez :
Mahandry