Fandraisana antso maitso 118 : tsy hisy fahatapahana amin’ny fotoam-pahavaratra

  • 4 décembre 2023

Mahaleo tena amin’ny herinaratra ny mpamonjy voina. Tsy hatahorana ny fahatapahan’ny antso maitso  mandritra ny vanimpotoanan’ny fahavaratra sy amin’ny vanimpotoana ho avy.  Tanteraka tamin’ity volana desamba ity ny fametrahana vondrom-pitaovana manome herinaratra avy amin’ny takelamasoandro ao Tsaralalana. Afaka miodina mandritra ny 72 ora na tsy misy masoandro aza ny takelamasoandro 6 vao napetaka. Mamokatra 15 hatramin’ny 100 KW isan-taona izany.

Maharitra 15 taona ny tanjakin’ny fitaovana. Nisy ny fampiofanana nomena ny mpamonjy voina hampaharitra ny fitaovana. Vokatry ny fiarahamiasa tamin’I “Madagascar Énergie” no nahatontosa ny tetikasa.

Partagez :
Mahandry