Fandoavana hetra : fototry ny fampandrosoana

  • 5 mars 2024

Ilofosan’ny delegasiona manokan’ny tanànan’Antananarivo ny fampandoavana hetra ny vahoaka eto an-drenivohitra. Mifanakalo ny tamberin’andraikitra hoy ny filohan’ny delegasiona, Ramanambitana Richard, ka tokony entanina ny mponina amin’ny fandoavan-ketra. 0,75% ny tahan’ny fandoavana hetra tamin’ny taona 2022, raha toa ka 22% ny vola niditra tamin’izany ho an’ny taona 2021.

Miantoka ny ampahany betsaka amin’ny fanadiovana sy ny fanamboarana ny lalana eto Antananarivo ny fandoavan-ketra, ka efa misy ny paikady hampitomboana ny tahan’ny fandoavan-ketra. Na izany aza, misy koa ny fijerena vahaolana maharitra ankoatra ny ezaka 10 andro.

Nanomboka androany hariva no efa niroso tamin’ny fijerena ny olan’ny lalana sy ny fako ny delegasiona vaovao. Efa miasa ireo kamiao miisa 32 hampiasaina amin’ny fanesorana fako. Mbola hisy 32 hafa ho avy amin’ny volana jona raha ny nambarany. Manampy izany ny fampandraisana andraikitra miainga eny amin’ny vahoaka ka hatreny amin’ny tomponandraikitra ambony tandrify izany.

Nojerena koa ny fahatsetseman’ny lalan-drano sy ny tsy fahampian’ny solika hampiasana amin’ny fitaterana ireo fako. 2 000l ny solika ilana isanandro. Tanjona ny hahatonga an’Antananarivo ho madio ary ho fitaratra, tsy eto Madagasikara ihany, fa hatrany amin’ny ranomasimbe Indiana.

Partagez :
Nirinasoa Tafita