Fandehanana miasa any ivelan’i Madagasikara: malalaka  saingy misy fanarahamaso hentitra

  • 19 février 2024

“Malalaka ny fivoahana ho an’ireo mahita asa any ivelany. Manampy  amin’ny fampidirana vola vahiny rahateo izany. Misy ny fepetra tsy maintsy arahina manoloana izany mba hananana fifindra-monina araka asa mirindra”,  hoy ny minisitry ny Asa, ny Fampananana asa,  ary ny Asam-panjakana , Razakaboana Hanitra Fitiavana  androany 19 febroary 2024 nandrira ny fivahinianany tao amin’ny televiziona nasionaly.

 

Nanaiky ary nanao fanamby amin’ireo mahita asa any ivelany amin’ny fikarakarana ny taratasiny ao anatin’ny 15 andro rahateo ny fanjakana, hoy izy. Takina, araka izany, ny fananana  fifanarahana araka asa. Misy ny fanadihadiana ” enquête de moralité” ahafantarana  fa olona tsy voasazy na misy fanenjehana no handeha. Rehefa voamarina ireo ka vita ny ” inscription consulaire” dia afaka mandeha ny olona nahita asa.

Partagez :
Sissie Raveloson