Fandaharana « Tsy ho tompotrano mihono » : misokatra ho an’ny minisitra rehetra
- 27 août 2021
Misokatra ho an’ny Minisitra rehetra mpikambana ao amin’ny Governemanta ny fandaharana « Tsy ho tompotrano mihono » ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana manomboka izao; hahafahan’ny Minisitra tsirairay mitondra fanazavana mikasika ny fandaharanasa ao amin’ny Departemanta iandraiketany. Ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Pierre Holder Ramaholimasy sy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, no mpitondra tenin’ny Governemanta nanomboka ny 15 aogositra teo; raha ny Minisitry ny Mponina taloha Naharimamy Lucien no nanampy tamin’izany andraikitra izany tamin’ny 2019. Samy afaka mitondra fanazavana ny fandaharanasan’ny Governemanta ireo Minisitra roa mpitondra tenin’ny Governemanta ireo, hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo.
Mahandry