Fanatsarana kalitaon’ny fanabeazana : mpampianatra 1600 nahavita fiofanana tao amin’ny IFEM

  • 4 février 2024

Mpampianatra miisa 1 600 avy amina sekolim-panjakana sy sekoly tsy miankina maro manerana ny Nosy no nahavita fiofanana tao amin’ny oniversite IFEM (Institut de Formation des Enseignants), ary navoaka ny 3 febroary 2024.

Misy amin’izy ireo no nahazo ny mari-pahaizana Master II, Master I ary Licence. Andiany Taratra no anarana isaloran’izy ireo, ary ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Andriamananoro Augustin, no voasafidy ho ray mpiahy ity andiany ity. Nambaran’ny minisitra fa mifanojo amin’ny tanjon’ny fitondram-panjakana hanome lanja ny maha olona ho fanoitra enti-mampandroso ny fanofanana mpanabe.

Efa nahavita namoaka manam-pahaizana maro i Madagasikara tany aloha. Mila manao ezaka , toy izao fizarana traikefa ho an’ny mpanabe ataon’ny IFEM izao isika ankehitriny mba ho afaka mamolavola ny zanaka malagasy ho manampahaizana, afaka mampandroso ny firenena, hoy hatrany ny minisitra. Fari-piadidiam-pampianarana 52 no misy ny rantsan’ity ivon-toeram-piofanana ity.

Nambaran’ny lehiben’ny Cisco Betafo, Ramanitrarizaka Hobimanana , fa maro amin’ny mpampianatra amin’ny faritra lavitra (zone 2, zone 3) no tsy afaka manohy fianarana amin’ny Anjerimanontolo. Izany no ilana ny fanofanana manakaiky ny mpanabe toy izao. Mahazo tombony amin’ny fahalalana zaraina anatin’izany ny mpanabe sy ny zanaka malagasy , hoy ny filoha tale jeralin’ny IFEM, Solofo Jocelyn

Partagez :
Romuald