Fanariana fako anaty lakandrano : fototry ny tondradrano eto Antananarivo

  • 5 janvier 2024

Manentanana ny mponinan’Antananarivo tsy hanary fako anaty lakandrano ny tale jeneralin’ny APIPA,  Andriamihaja Tojo . Izany no atao dia entina hiadiana amin’ny mety ho tondradrano mandritra izao vanimpotoanan’ny fahavaratra izao. Manana adidy ny tsirarairay ny amin’izany. Manentana koa ny tomponandraikitra isan- tokony ity tale jeneraly ity ny amin’ny fijerena sy fanalana ny fako amin’ny lakandrano eny anivon’ny faritra iadidiany. Efa vonona kosa ny APIPA ny amin’ny fanadiovana ny lakandrano eo ambany fiadidiany.

Manamarika izany ny fandehanan’ny rano aingana tamin’ny 30 desambra nifoha 31 desambra. Efa fambara mavo raha ny fanazavana ny fiakaran’ny rano teto Antananarivo. Ny 31 desambra ihany dia afaka izany.

Momba ny fako manokana. Ny 31 desambra no nanala fako 2300m3  tamin’ny lakandrano C3 ny APIPA.  Ankehitriny dia efa feno fako indray ny lakandrano ka izany indrindra no nahatonga ny fanentanana. Mahatratra 13.000m3 ny fako tsy maintsy ho esorin’ny APIPA amin’ireo lakandrano sy farihy mpanangon-drano eto Antananarivo renivohitra ho an’ity taona 2024 ity.  Mitroka rano 9 tapitrisa m3 ny “stations de pompage” 6 sahanin’ny APIPA amin’ity taona ity. Mamoaka ny ranon’orana miandrona eto Antananarivo mankany an-drenirano rehefa miakatra ny rano ireo “stations de pompage” ireo.

Partagez :
Sissie Raveloson