Fanapohana solika amin’ny asidra : mbola mitohy ny fanadihadiana

  • 19 septembre 2022
Mitohy ny famotorana momba ny raharaha fanampohana solika ao Toamasina. Heverina fa tsy ireo efa tratra ireo ihany no mpanao ity asa ratsy ity raha ny vaovao voaray avy amin’ny zanadarimariam-pirenena.
6 mianadahy no saron’ny zandary sy ny ekipan’ny OMH teo am-panaovana ny asa ratsiny ny 17 septambra. Hita niaraka tamin’izy ireo ny fitaovana maro fanaovany ny fanampohana solika.
Nahitana barika, « motopompe », tavoahangy misy « acide sulfurique », fantsona isan-karazany, « bidons » 20 litatra, fiarabe mitondra « citerne », ny fiara nitondra ireo barika misy « pétrole » ary ny fiara madinika naka ireo solika voatampoka efa vita.
Raha tsiahivina efa herinandro vitsivitsy no niparitaka ny resaka momba ny fisian’ny tambajotra mpanampoka solika amin’ny solitany. Voalaza fa mahamora lany ny solika ampidirina amin’ny fiara izany, ary manimba motera koa.
Partagez :
Mahandry