Fanaparam-pahefana : Polisy efa-dahy manao fanamiana sivily miditra an-keriny tsy misy taratasy fampilazana fisavàna

  • 2 novembre 2021

Polisy efa-dahy manao fanamiana sivily no fantatra fa nanao fanaparam-pahefana sy nidaroka olona teny amin’ny fokontany Manaritsoa Afovoany omaly, tokony ho tamin’ny dimy ora hariva.

Araka ny filazan’ireo mponina nanatri-maso dia mitety trano maromaro eny amin’ny manodidina izy ireo ary manapotika avy hatrany ny varavarana ka miditra an-keriny tsy misy taratasy fampilazana fisavàna.

Milaza ireo polisy ireo fa manao fikarohana “Moto”very; antony hanaovany izao fanamparam-pahefana izao.

Mitondra hidin-trano vaovao izy ireo ary rehefa avy nopotehiny ny varavaran’ireo olona dia soloiny ka tsy ahafahana miditra intsony ao an-trano.

Nanantona ny Poste de Police tao Ampefiloha ireo mponina voakasika niaraka tamin’ny filoham-pokontany, nanazava ny zava-nisy ary dia nandray ny andraikiny avy hatrany ireo tomponandraikitra tao amin’ny Poste de police Ampefiloha nidina namoha ireo trano izay nogiazan’ireo mpitandro filaminana ireo.

Araka ny fanazavana dia efa nandalo naka taratasy fahazoan-dalana hisava trano tao amin’ny Poste de Police Ampefiloha ireo polisy ireo saingy tsy nahazo noho ny antony izay mbola tsy fantatra.

Efa mandeha ny fanadiadiana mahakasika ity tranga ity ary tsy ho ela dia ho fantatra izy ireo hoy hatrany ny tomponandraikitra.

Partagez :
Mahandry