Fanalefahan-tsazy : miisa 9 757 ny voafonja nisitraka izany, 2 766 no afaka nivoaka avy hatrany

  • 2 janvier 2024
Voafonja miisa 9 7575 amin’ireo 16 766 manerana ny Nosy no nahazo ny fanalefana-tsazy nomen’ny filohan’ny Repoblika, araka ny didim-panjakana noraisina tamin’ny 31 desambra 2023.
2 766 amin’io no afaka nivoaka ny fonja avy hatrany, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika.
“Misy ny mason-tsivana amin’ny fanomezana fanalefana-tsazy ka isan’ny jerena manokana amin’izany ny havesatry ny heloka nataon’ilay voafonja, ny taonany, ny faharetan’ny saziny”, hoy ny Fiadidiana ny Repoblika.
Misy ireo heloka tsy ahazoana fanalefana-tsazy toy ny fanodikodinana ny volam-panjakana, ny kolikoly amin’ny endriny rehetra, ny vono olona, ny fanolanana sy ny herisetra ara-nofo, ny fanohitohinana ny filaminana anatin’ny fanjakana, ny fifofoana ny ain’ny filoham-pirenena..
Partagez :
Mahandry