Fanalamanga: tsy maintsy haverina ny tany 20 000 ha nalain’olona an-keriny

  • 6 octobre 2021

Tsy maintsy haverina amin’ny orinasa Fanalamanga ireo tany nalain’olon-tsotra an-keriny, raha ny nambaran’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy, Raharinirina Vahinala Baomiavotse, nandritra ny fitsidihany tany an-toerana. Manodidina ny 20 000ha ny refin’izany. ”Tsy maintsy jerena ny fomba hanarenana ny orinasa, taorian’ny olana nosedrainy nandritra ny taona maro”, hoy izy, satria dia 80 000ha amin’ny tany 200 000ha ihany no voatrandraky ny orinasa. Tafiditra ao anatin’izany ny fifanakalozana traikefa eo amin’ity orinasa ity sy ny orinasa iray mitovy asa aminy mba hanatsarana ny ny fitrandrahana sy ny fitantanana sahanin’izy ireo. Ratsamangaika eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana ny Fanalamanga ary fanta-daza hatrany ivelany amin’ny fitrandrahana hazo.

Partagez :
Mahandry