Fanafarana vary avy any Inde: tsy anisan’ny firenena nandraisana fepetra i Madagasikara.

  • 1 août 2023
Nihaona tamin’ny masohivohon’i Inde androany 1 Aogositra ny ekipa avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana,notarihin’ny tale jeneralin’ny Varotra sy ny fanjifana. Antony nihaonan’izy ireo ny fangatahana ny tsy hanapahana ny famatsiana vary eto Madagasikara. Marihina fa avy any Inde avokoa ny 80 isanjaton’ny vary hafaratsika.
Tsiahivina fa namoaka fanambarana ny governemanta indianina tamin’ny 20 jolay 2023 teo fa tsy afaka hanondrana vary fotsy “basmati” intsony i Inde ao anatin’ny fotoana tsy voafetra. Nahomby ny fandresen-dahatra nataon’ny MICC, ka tsy ho ao anatin’ireo firenena handraisana io fepetra io i Madagasikara.
Partagez :
Carinah Mamilalaina