Fanabeazam-pirenena : mpampianatra 31 500 noraisina ho mpiasam-panjakana tao anatin’ny 3 taona

  • 27 mai 2023

Nahatratra 31 500 ny mpampianatra noraisina ho mpiasam-panjakana teto Madagasikara tao anatin’ny 3 taona, hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle tamin’ny tatitra  nataony teo anoloan’ny solombavambahoaka ny 26 may 2023. Mpampianatra 3 500 no noraisina avy amin’ny CRINFP; 3 100 kosa avy amin’ny ENS. Nambarany fa noraisina ary efa miasa avokoa izay nahavita fianarana tamin’ny ENS rehetra (CAPEN sy MAPEN). Misy noraisina amin’ny sekoly sasantsasany koa ny manana LAPEN.

Tsy maintsy tohizana, hoy ny minisitra, ny ezaka, ary ilana tohana avy amin’ny solombavambahoaka amin’ny lafiny fandaniana tetibola. Mbola ny 70%n’ny mpampianatra no karamain’ny raiamandrenin’ny mpianatra (Maître FRAM).

Ankoatra izay, trano sekoly 853 no natsangana tao anatin’izay telo taona izay. Mahazaka mpianatra 200 000 mahery ny efitra amin’ireo trano ireo.  Kojakojam-pianarana 1 682 000 koa no nozaraina nandritra izany, mba ho fanalana vesatra  ny raimandreny. Maherin’ny 2 tapitrisa koa ny aronakanjo nozaraina.

Mbola mila dabilio 1 200 000 ny sekoly manerana ny Nosy vao afaka mipetraka ara-dalàna avokoa ny zaza malagasy. Vokatry ny fahatarana an-taonany maro no nahatonga izany. Miezaka mamaha izany ny tomponandraikitra ankehitriny. Tao anatin’ny 3 taona, dabilio 42 679 no nozaraina.

Mitohy koa ny tetikasa fizarana bisikileta ho an’ny mpianatra sy mpampianatra mendrika, amin’ny fanadinam-panjakana. Misitraka  izany na ny miankina na ny tsy miankina amin’ny fanjakana amin’ny distrika rehetra. Bisikileta 9 isaky ny ZAP no zaraina, hoy ny minisitra.

Fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana, mila fampiofanana ny ankabeazan’ny mpampianatra eto Madagasikara. Mpampianatra 35 000 no nofanina. Nisy koa ny fanapahan-kevitra nanontana sy nizarana “cahier de soutien scolaire” maherin’ny 5 tapitrisa. Nisy koa ny fizarana rakibolana sy bokyisna-karazany, izay  nanampy ny mpianatra sy mpampianatra.

Ankoatra izay, sekoly EPP sy CEG, ary Lycée maro manerana ny Nosy no misitraka fampisakafoanana an-tsekoly. Mahatratra 1 200 000 ny mpianatra misitraka izany. Nanaovana ezaka manokana koa, ankoatra izay ny fanafainganana ny tambin-karaman’ny mpampianatra mikirakira ny fanadinam-panjakana na ny “vacation”.

Partagez :
Romuald