Fampodiana ny « Kabeson’ny Mpanjaka Sakalava TOERA » : efa mandeha ny fitiliana ny ADN

  • 22 novembre 2021

Efa mandeha ny fanadihadihana aratsiantifika (fitiliana ny ADN) amin’ny fanamarinana ny hoe iza marina no an’ny Mpanjaka Toera amin’ireo Kabeso izay voatahiry ao amin’ny  amin’ny « Musée National d’Histoire Naturelles » sy ny « Musée de l’Homme ».

Izany no nivoitra nandritra ny fihaonan-dRamatoa Roselyne Bachelot, Minisitry ny Kolontsaina frantsay sy Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina malagasy, androany tolakandro.

Manaraka izany nisy ihany koa ny fangatahan’ny fitondrana malagasy ny hampodiana ireo vakoka ara-kolontsain’i Madagasikara izay mbola tazomin’ny firenena frantsay, nandritra ny fihaoan’ny roa tonta.

Partagez :
Mahandry