Fampisakafoana an-tsekoly: “Mifantoka kokoa amin’ny fianarana ny ankizy rehefa voky ny vatana”

  • 3 novembre 2021

Notokanana omaly 2 novambra ny trano fampisakafoana an-tsekoly sy ny zaridaina pedagojika ao amin’ny EPP Andranosoa Ambohimalaza. Tanjona ny hanoizana sy ny hanamafisana ny fanambin’ny fanjakana amin’ny fampiakarana ny tahan’ny fidiran’ny ankizy an-tsekoly sy ny hanenana ny fialan-daharana an-tsekoly .

“Mifantoka kokoa amin’ny fianarana ny ankizy rehefa voky ny vatana” hoy ny tale eo anivon’ny “Direction de l’Education Fondamentale et de la Petite Enfance” nandritry ny fandraisam-pitenenany.

Miisa 157 ireo mpianatra efa nisitraka ny tetikasa raha ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Haharitra mandavan-taona izany. Raisin’ny FEFFI an-tanana ny fanampiana avy amin’ny minisitera. Anisan’ny nanampy tamin’ny fananganana izao fotodrafitrasa izao ny fikambanana ” Mahalaza Soa”. Ny ” Bank Of Africa” kosa no nanolotra ny vatsy hampandehanan-draharaha dia ny fampisakafoana ny ankizy izany.

Partagez :
Mahandry