Fampirobororoboana ny indostria sy fampiasam-bola : hanolo-tanana ny MIC ny Vondrona Eoropeanina.

  • 29 janvier 2024

Hanolo-tanana ny MIC amin’ny fanamafisana ny tontolon’ny fampiasam-bola sy fijerena mpanosika tetik’asa matihanina (développeurs) ny Vondrona Eoropeana. Vonona izy ireo hanohana ara-teknika ny Fanjakana malagasy eo amin’ny lafiny fampandrosoana ny indostria sy ny fampiasam-bola eto Madagasikara .

Androany alatsinainy 29 janoary 2024 no nifanakalozan’ny Minisitra Edgard Razafindravahy sy ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeana Isabelle Delattre Burger ny momba izany fiaraha-miasa izany tetsy Ambohidahy. Nanome toky ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeana, Isabelle Delattre Burger fa hijery miaraka amin’ny MIC ireo mpanosika tetik’asa matihanina (développeurs) sy manampahaizana manokana koa hitantsoroka ireo asa fampandrosoana ara-indostria sy hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola eto Madagasikara.

Efa napetraka ireo fitaovana entina hisarihana ireo mpampiasa vola sy ireo mpanosika tetik’asa matihanina hanampy an’i Madagasikara eo amin’ny fampandrosoana ary vonona ny rafi-panjakana hiara-hiasa amin’ny sehatra tsy miankina ary indrindra ireo vondrona iraisam-pirenena samihafa hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana araka ny nambaran’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria (MIC) androany.

Marihina fa efa maro ny ezaka nentin’ny Fanjakana malagasy eo amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara toy ny famoahana ny Lalàna momba ny fampiasam-bola eto amin’ny firenena, ny fandrafetana ny fifanekena miaraka amin’ny Sehatra tsy miankina momba ny Fandaharan’asa maharitra ho an’ny indostria ary ny fananganana ny filan-kevitra nasionaly ho amin’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara (CNIM).

Partagez :
Mahandry