Famindram-pibaikoana teo amin’ny « Bataillon d’infanterie » Toamasina

  • 14 juin 2023
Tanteraka androany 14 jona 2023 ny famindram-pibaikoana teo amin’ny « bataillon d’infanterie » tao Toamasina.
Ao amin’ny velirano voalohany napetraky ny filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA ny fandriampahalemana sy ny andavanandro tsara antoka ; « Laharam-pahamehana » hoy izy izany. Manana anjara toerana lehibe amin’izany ny tafika Malagasy, hampanjary ny pôlitika apetraky ny fitondram-panjakana amin’ny fiarovana ny firenena amin’ny lafiny manontolo sy ny filaminan’ny vahoaka .
Nisy ny fisaorana ireo nitana ny fibaikona teo aloha, izay nanao ny ainy tsy ho zavatra ary nitondra avo ny fanevan’ny tafika, teo koa ny fiarahabana ireo tompon’andraikitra vaovao voafidy hitana izany toerana izany ankehitriny.
Amin’izao akatoky ny andro fankalazana ny fetim-pirenena sy ny fifidianana izao, dia miantso amin’ny fitoniana sy ny fifanomezan-tanana ary ny hanehoana fitiavan-tanindrazana ny eo amin’ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena ka haseho fa manana ny hasiny i Madagasikara ary manana ny toerany ny tafika malagasy indrindra ireo vahoaka .
Partagez :
Mahandry