Famelomana ny seha-pihariana jono Vakinankaratra: harenin’ny Ministeran’ny Jono ny ivontoerana fiompiana trondro ao Manjakatompo, Ambatolampy.

  • 30 août 2021

Rava tanteraka ity ivontoerana fiompiana trondro ao Manjakatompo, distrikan’Ambatolampy, faritra Vakinankaratra ity amin’izao fotoana izao: ritra ny ankamaroan’ny dobo, azo isaina amin’ny rantsan-tanana ny trondro sisa tavela, nirodana sy nisy  nanimba koa ny fotodrafitrasa maro napetraka. Anisan’ny namatsy ny faritra     Vakinankaratra  an-taonany maro tamin’ny resaka trondro, sady namelona fianakaviana am-polony mivondrona anatina koperativa mifanaraka  amin’ny fanjakana amin’ny fitrandrahana azy anefa  ity toerana ity.

Horaisin’ny Ministeran’ny  Jono sy ny Toekarena manga   an-tanana ny   fanamboarana ity ivontoerana  ity. Mialoha ny hanombohana ny asa fanarenana; nidina tany  an-toerana ny Minisitra  Mahatante Tsimanaoraty Paubert  sy ny ekipany, ny sabotsy teo, nijery ny toe-javamisy, sady nanokatra fanadihadiana amin’ireo nanao fanahy iniana nanimba ny fotodrafitrasa sasany   efa napetraka; eo koa ny fanaovana antso ho an’ny fikambanana na koperativa vonona hiasa sy  hitrandraka araky ny tokony ho izy ity toerana fiompiana trondro ity.

Tanjona, hoy ny Minisitra, ny hampiarina ny seha-pihariana jono, hanampy amin’ny ady amin’ny tsy  fanjarian-tsakafo ho an’ny faritra amin’ny alalan’ny trondro tsara  kalitao sy zakan’ny fahefa-mividy, ary indrindra  ny  famoronana asa ho an’ireo mety   ho voakasika, toy ny mpiompy, ny mpivarotra,  ny  mpitatitra sy ny maro hafa.

Tany ho any amin’ny taona 1990 tany no nanomboka nihodina ny  famokarana trondro tao Manjakatmpo. Nirodana tsikeliky izany taty amin’ny taona 2005, ary izao rava tanteraka izao. Azo atao tsara ny manarina azy sy mampitombo ny  famokarana, hoy ny mponina sy ireo  tomponandraikitra  isan-tokony.

 

 

 

Partagez :
Mahandry