“Fambolen-kazo: manarina tontolo iainana, mamelona aina”

  • 26 janvier 2024
Fanokafana ny taom-pambolen-kazo 2024 eny amin’ny Tanamasoandro, Imerintsiatosika, tarihin’ny filoha Andry Rajoelina. “Fambolen-kazo: manarina tontolo iainana, mamelona aina”. Io no lohahevitra ho an’ity taona ity. Velaran-tany 750 000ha no kendrena hovolena hazo amin’ity taona 2024 ity. Tanjona ny handrakofana ala 4 tapitrisa ha hatramin’ny 2030.
Hisy ny rafitra hapetraka, hiandraikitra manokana ny hazo voavoly, hoy ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy, Fontaine Max . Nohamafisin’ny filoha Andry Rajoelina fa adidy amin’ny taranaka sy amin’ny tanindrazana ny mamboly hazo.
Famerenana an’i Madagasikara ho maitso no tena zava-dehibe, izay mahatonga ny filoham-pirenena mitarika ny hetsika isan-taona, mba hanomezana ohatra ny olom-pirenena.  Niara-nanomboka ny fambolen-kazo avokoa ny faritra rehetra manerana ny Nosy. Ny fiaraha-mientan’ny olom-pirenena rehetra no tena vahaolana ahafahana manamaitso an’i Madagasikara, mba hahafahana manarina ny fahavoazana vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro.
Partagez :
Mahandry