Economie
Fambolem-bary : rano 56 metatra toratelo no hanondrahana ny lemak’Antananarivo.

Afaka mikarakara ny tanin-ketsany, manomboka izao, ny mpamboly amin’ny lemak’Antananarivo sy ny manodidina, taorian’ny fanombohan’ny tetiandrom-pambolena ny alahady 15 Aogositra lasa teo.
Efa niroso tamin’ny familiana ny rano avy eo Tanjombato , nanomboka ny tapaky ny volana jolay teo, ny APIPA, izay midandraikitra ny fampidirana rano ho an’izay misitraka rano avy amin’ny JIRAMA.
Manodidina ny 56 tapitrisa metatra tora-telo ny rano nangatahina. Fatra efa nomen’ny JIRAMA tamin’ny herin-taona io ka notazonina noho ny tsy fampian’ny rotsak’orana voaangona tao amin’ny tohodranon’i Tsiazompaniry. Antsasaky ny filan’ny tanimbary eto Antananarivo sy ny manodidina ihany anefa no voasahan’izany.
Tombanana ho 140 tapitrisa metatra tora-telo ny tahirin-drano ao Tsiazompaniry tamin’ny fotoana nikatonany teo. Raha ny tokony ho izy anefa dia 116 tapitrisa metatra tora-telo ny filana.
Manoloana izany, tsy maintsy irosoana ny tekinikam-pambolena mampihatra ny fifandimbiasana amin’ny fahazoana rano, satria ny antsasaky ny filana ihany no azo. Manomboka eo Ankasina hatrany amin’ny lemak’i Laniera, Sabotsy Namehana, araka izany, no tondrahana amin’izao fotoana izao.
Nomarihin’ny Tale Jeneralin’ny APIPA, RAKOTONJANAHARY Ranto, tamin’ny fanazavana nentiny androany, fa efa manomboka miakatra tsikelikely ny reniranon’Ikopa vokatry ny fanokafana ny tohodranon’i Tsiazompaniry. Antony namahan’ny JIRAMA ity tohodrano ity ny maha laharam-pahamehana ny rano fisotro, eo ihany koa ny rano ilain’ny tanimbary, izay mitana ny laharana faharoa , miampy ny filana hafa.
Fa tsy azo adinoina etsy an-daniny, ny famokarana herinaratra, izay mbola miainga amin’ny tohodranon’i Tsiazompaniry.