Famahana ny olan’ny tsy fahampian-drano ao Fianarantsoa: handatsaka orana artifisialy ny fitondram-panjakana.

  • 11 novembre 2021
Handatsaka orana artifisialy ao Fianarantsoa ny fanjakana ny 11, ny 12 ary ny 13 novambra. Fotoana hita fa mahamety io asa io ireo telo andro ireo. Amin’ireo no mando ny habakabaka, matevina ny rahoana, tony ny rivotra ary heverina fa ahamahamora ny mety hilatsahan’ny orana. Anton’izao fanapahankevitra izao ny olan’ny tsy fahampian-drano ao an-toerana. Raha 10.000 metatra toratelo ny filàna isan’andro dia mbola tsy ampy 2.500 toratelo izany. Heverina ampiakatra ny ahavon’ny rano izao fandefasana orana artifisialy izao. Ritra noho ny haitany tamin’ny farany volana oktobra ny ranon’Antarabiby.
Vahaolana fohy ezaka noraisina tamin’izay ny nandefasana kamiao mpitondra rano miisa 5 mahazaka rano 80 metatra toratelo isaky ny mitatitra izay nalaina avy eto Antananarivo sy Toamasina ary nampiasaina tany an-toerana. Efa nisy koa “bonbone” miisa 25 avy amin’ny Jirama.
Hamahana hatrany ny olana dia hodiovina ny rano mivoaka avy ao Ankidona ary hametrahana tohadrano, entina hanatsarana ny rano avy amin’ny renirano Matsiatra izany. Hodiovina sy taterina hatreny an-tanana izany. Mitentina 5 milliara ariary ny fanatanterahana ny fotodrafitrasa rehetra raha ny nambaran’i Radanielina Rivo, tale jeneralin’ny Jirama. Efa nomanina hatramin’ny volana aogositra izao tetikasa izao ary efa mandeha ny ” Appel d’offre” Ho an’Antananarivo manokana, miisa 20 eo sisa no toerana manana olana amin’ny tsy fahampian’ny rano raha niisa 100 izany teo aloha. Ezahina hovahana hatramin’ny farany taona izany hoy hatrany ny tale jeneralin’i Jirama. Ny “aéro marine” no miandraikitra ny fandatsahana ny orana.
Nidina any an-toerana manatanteraka ny asa ny minisitry ny Rano, Razaka Ladislas, ny tale jeneraly vonjy maikan’i Jirama ary i Andry Arivo Tatiana Tale eo anivon’ny famatarana ny toetrandro
Partagez :
Mahandry