Fahasalamana : lay miisa 786 000 nozaraina ho an’ny olona 4 tapitrisa

  • 29 septembre 2021

Lay misy ody moka manodidina ny 786 000 izay mahaaro olona maherin’ny 4 tapitrisa no nozaraina nanomboka ny taona 2020 ny makaty teto Madagasikara, araka ny tatitry ny teo anivon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka nandritry ny atrik’asa fanaovana tatitry ny zava-bita omaly 29 septambra.

Distrika 12 no  nisitraka izany  : Toamasina II, Brickaville, Mananjary, Manakara, Vohipeno, ToliaraII, Mahanoro, Atanambao,Manampotsy Farafangana,Vaingandrano, Bekily , Port Bergé.

« Fizarana lay misy ody moka mitohy no natao tany amin’ireo toerana ireo satria ambany ny tahan’ny fizarana izany ny taona 2018 kanefa ambony ny tahan’ny tazo moka tany an-toerana»,  hoy ny tomponandraikitry ny foiben’ny ady amin’ny tazo moka eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamana, DR Razafinjato Celestin.

Ahitana sokajy telo ny fizarana lay misy ody moka : fizarana faobe izay efa mamaramparana , fizarana mitohy ary ny fizarana amin’ny sokajin’olona toy ny vehivavy bevoka, zaza latsaky ny dimy taona. Marihina fa nanomboka ny volana aogositra lasa teo ny fizarana lay misy ody moka faobe izay maherin’ny 13 tapitrisa.

Partagez :
Mahandry