Faha-60 taonan’ny Polisim-pirenena : tapaka ny lalana Mohamed V rahampitso

  • 29 septembre 2021

Ho tapaka ny lalana Mohamed V, manoloana ny Antenimierandoholona Anosy ka hatreo amin’ny tambohon’ny Saint Michel, rahampitso Alakamisy 30 septambra, noho ny fisian’ny lanonana fankalazana ny faha-60 taonan’ny Polisim-pirenena, izay hatao ao Mahamasina. Foana araka izany ny toeram-piantsonana manoloana ny farihin’ Anosy.

Mandray avy hatrany ny lalana Titsy manamorona ny tambohon’Ambotsirohitra ary manohy amin’ny lalana Dr Andrianarivony ny fiara avy any Analakely.

Mandray ny lalana Titsy ihany koa ny fiara avy any Ampefiloha sy Isotry ka hihazo an’Ambohidahy. Mandray avy hatrany ny lalana Ranaivo Jules manoloana ny Fitsarana Anosy kosa ireo fiara avy any Anosibe sy Ankadimbahoaka.

Voakasik’izany avokoa ny fiara  rehetra mandalo amin’ireo lalana ireo. Hiverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana vatany vao vita ny lanonana, araka ny lamina napetraky ny kaominina Antananarivo renivohitra.

Partagez :
Mahandry