Faha 200 taonan’ny Fadintseranana: hetsika marososona eny Ambohitsaina ny 5 may

  • 5 mai 2023

Marihina eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny5 may ny faha 200 taonan’ny Fadintseranana malagasy. Hisy ny trano heva hampahafantarana be be kokoa ny tontolon’ny fadintseranana, mandritra ny tontolo andro . Eo koa ny “podium” hahitana mpanan-talenta amin’ny dihy, hira, mozika ary ady hevitra.

Hisy, ankoatra izay, ny famelabelaran-kevitra arahina ady hevitra ahitana fandraisana anjaran’ny ministry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola, ny tale jeneralin’ny Fadintseranana, ny filohan’ny Syndicat des Industries de Madagascar, ny Sojaben’ny Fakiolten’ny Toekarena sy Fitantanana ary Haifiarahamonina (EGS), ny “Economic Development Board of Madagascar” (EDBM).
Azon’ny daholobe atrehina ny hetsika, izay hatao ao amin’ny Cathédrale EGS Ankatso, Antananarivo.
Peut être une image de 1 personne et texte
Partagez :
Mahandry