Ezaka 100 andron’ny minisiteran’ny Angovo sy Akoranafo

  • 1 mars 2024

Fametrahana ireo ”Parc solaire” miisa 47. Efa misy kaontenera tonga ao Toamasina. Hidina hijery izany ny minisitra Jean-Baptiste Olivier, amin’ny herinandro ho avy, raha ny nambarany. Ankoatra izay, eo koa ny fanoloana andrinjiro ho atao ”béton”, sy ny fanohizana ”branchement mora” izay hotohizana na aorian’ny 100 andro aza. Ao koa ny ”Projet d’électrification rurale” miaraka amin’ny ADER sy ny fanafangaroana ny herinaratra mifangaro amin’ny gasoil toy ny efa natao tany Sainte-Marie.

Ilain’ny vahoaka avokoa ireo. Mampiseho ny ezaky ny 100 andro fa misy tetikasa mila hatosika toy ny Sahofika sy ny Volobe ary ny fametrahana ”centre thermale” mba hamahana aingana ny olan’ny herinaratra. Zava-dehibe koa ny fotodrafitrasa ary misy antontan-taratasy mila tosika mba hanafaingana  ny vokatra. Miara-miasa akaiky amin’ny Banky foibe i Madagasikara amin’ny famatsiana vola ho amin’izany.

Tanjona amin’izany tetikasa isan-karazany izanh ny mba hisistrahan’ny malagasy rehetra herinaratra, indrindra ny any amin’ny tontolo ambanivolo. Laharampahamehana ny 70% amin’izany, hoy hatrany ny minisitra misahana ny Angovo sy ny Akoranafo. Hisy koa sekreteram-panjakana manokana ho amin’izany.

 

Partagez :
Nirinasoa Tafita