Etazonia: manohana ny fanehoan’ny malagasy hevitra amin’ny alalan’ny fifidianana

  • 16 novembre 2023

Manohana ny zon’ny olom-pirenena malagasy haneho malalaka ny safidiny ara-demokrasia ao anaty fitoniana i Etazonia, tamin’ny alalan’ny fanambarana nataony androany 16 novambra 2023.

« Miantso ny fifehezan-tenan’ireo mpandray anjara rehetra  ka hametraka ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy ho lohalaharana noho izay tombontsoa ara-politikan’ny tsirairay avy »,  hoy ny fanambarana.  Na dia tsy ampy hamaritana ny demokrasia aza, hoy izy, ny fifidianana dia « tena resy lahatra izahay fa ny fanaovana fifidianana dia fototry ny fampandehanana ny demokrasia. Ny tena antenainay dia ny hisian’ny fifidianana milamina sy mirindra mba ho afaka haneho ny safidiny amin’ny fomba madio sy mangarahara ny vahoaka malagasy. »

Partagez :
Romuald