Entana lany daty maro no tratran’ny minisiteran’ny Varotra nandritra ny faran’ny taona.

  • 2 janvier 2024
Entana 631 kilao no nodoran’ny ministeran’ny Varotra sy ny Fanjifana tao Manakara, nandritra ny faran’ny taona 2023. Yaourt, , fromazy, fanafody azo avy amin’ny fanodinana zava-maniry malagasy, kojakoja fikarakarana tarehy sy volo, ary ranomboankazo simba kosa no nogiazana tany Tsiroanomandidy sy Fenoarivobe, faritra Bongolava.
Fotoana maromaro no nanombohan’ny tomponandraikitra ny fisafoana ny varotra, nijerena ny kalitaon’ny entana amidy eny an-tsena. Tanjona ny hiantrehan’ny mpanjifa ny fety lavitry ny fanapoizinana ara-tsakafo.
Partagez :
Carinah Mamilalaina