Emmo Far : « hamafisina ny fisavana ny olona mivezivezy eny Analakely rahampitso »

  • 3 novembre 2023

Araka ny didy nifanarahana tamin’ny prefe androany 3 novambra dia misy ny toerana afaka handehanana ary misy  kosa ny toerana tsy afaka handehanana amin’izao fotoanan’ny fampielezankevitra izao hoy ny Kolonely Randrianarimasy Radoson, komandin’ny Etamazaoro Antananarivo (Emmo Far) teny Ambotsirohitra.

Anisan’ny toerana tsy azo hanaovana fampielezan-kevitra ny eny amin’ny biraom-panjakana , ny tsena, ary ny eny amin’ny 13 May.

Araka ny nambaran’ity kolonely ity ihany dia misy olona vitsivitsy mitarika olona hanao amboletra  ho eny amin’ny 13 May rahampitso 4 novambra.  Fantatry ny mpitandro filaminana koa fa hisy amin’ireo olona vitsivitsy ireo hitondra fitaovam-piadiana toy ny grenade offensive. Manoloana izany dia handray andraikitra ny mpitandro filaminana raha misy fihoaram-pefy amin’ny maha tany tan-dalàna an’i Madagasikara.

Handray fepetra izy ireo manoloana izany ka hisy ny fisavana ny fiara rehetra sy ny olona izay mivezivezy eny Analakely sy ny manodidina. Nanentana sy nitodika amin’ny vahoaka malagasy tsy ho voatarika amin’izany ity kolonely ity.

Partagez :
mialy