Efa maherin’ny 450 no matin’ny tazomoka tamin’ity taona ity

  • 13 novembre 2021

Mponina miisa 850.000 any amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy Ihorombe no hisitraka famendrahana fanafody famonoana moka  mba hiadiana amin’ny tazomoka.

Hetsika izay tanterahan’ny governemanta amerikana sy ny Fandaharanasa Nasionaly Miady amin’ny Tazomoka(PNLP) an’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Fanafody azo antoka ho an’ny olombelona no afendraka amin’ny rindrina sy ny valin-drihana any amin’ny atin-trano fonenana sy ny biraom-panjakana. Mahomby ny odimoka ary maharitra volana maromaro, mamono ny moka mipetraka amin’ny faritra voafendraka. Marihana fa olona maherin’ny 450 no matin’ny tazomoka teto Madagasikara hatramin’ny fiandohan’ny taona ary loza mitatao amin’ny fiainan’ny Malagasy an-tapitrisany sy sakana lehibe ho an’ny fampandrosoana.

Partagez :
Mahandry