DRETFP Androy : miisa 1763 ireo nisitraka fampiofanana fiompiana akoho gasy nohavaozina

  • 18 janvier 2024

Mahatratra hatrany amin’ny 1763 ireo tanora sy vehivavy nahazo fampiofanana mikasika ny fiompiana akoho gasy nohavaozina , tao amin’ireo fikambanana miisa 71 avy amin’ireo Kaominina 18 mandrafitra ny Faritra. Nisy ny fanomezana sy fizarana akoho ho an’ireo mpiofana mendrika sy nahomby tamin’ny fampiharana izay natao.

Tanjona anatin’ny fiofanana ny hanamafy ny traikeffa sy ny fahaiza-mihary ary koa ho fampanaraham-penitra ny fiompiana. Eo koa, ny fanatsarana ny fidiram-bolan’ireo mpiompy akoho mba hiteraka tombotsoa sy vokatra azo tsapain-tanana.

Marihina fa tafiditra ao anatin’ny drafitr’asa napetraky ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina , izay tanterahina anatin’ny 100 andro ny fampiofanana faobe, mitily ireo vondron’olona maro ka ny 16 janoary 2024 lasa teo no nanatanteraka izany tao amin’ny EKAR Ambovombe Androy ny teo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa Androy

Partagez :
Mahandry