DREN Betsiboka: mpampianatra 121 voaray ho mpiasam-panjakana, trano sekoly 26 no naorina.

  • 8 juin 2023
Mpampianatra FRAM 121 no voaray ho mpiasam-panjakana tao amin’ny Foibem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Betsiboka tamin’ity taona ity. Tonga tany an-toerana ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle nanolotra ny taratasy fifanarahana araka asa ho azy ireo ny alarobia 7 jona 2023.
Trano fianarana miisa 26 no naorina tao amin’ny DREN Betsiboka. Anisan’izany ny efitrano roa ao amin’ny EPP Antsakoamamy, Maevatanàna, izay natolotry ny minisitra nandritra ity fitsidihany ity. Narahana fanomezana boky fianarana sy boky mirakitra ny fandaharam-pianarana izany.
Ankoatra izay, bisikileta 314 no natolotra ho an’ny mpampianatra mendrika sy mpianatra sangany tamin’ny fanadinampanjakana tao amin’ny DREN Betsiboka. Tao Maevatanàna renivohitry ny faritra no nanolorana izany.
Tanjona ny hahafahan’ny zanaka malagasy misitraka fampianarana tsara kalitao sy hazoto hanovo fahalalana. Nilaza ny ho vonona hanome ny tsara indrindra avy any aminy ny mpampianatra nahazo ny fifanarahana araka asa.
Partagez :
Romuald