Doro tanety ao Ankazobe : misy fiaraha-mientana amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana rahampitso zoma

  • 13 octobre 2022

Hisy fiaraha-mientana hotarihin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy rahampitso zoma 14 oktobra. Izany dia ho fanampiana amin’ny ady amin’ny afo eny Ambohitantely Ankazobe, miaraka amin’ireo fokonolona maniry hanampy, manoloana ny fahamaizana eny an-toerana.

Azo atao ny manoratra hafatra miafina any amin’ny pejin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy, ho an’ireo maniry hanampy amin’izany. Tsiahivina fa ady iombonana ny ady amin’ny afo.

Efa nahetsika ny fitaovana eo anivon’ny Fiarovam-pirenena, hifehezana haingana ny afo, izay efa nanimba hatramin’ny 46% ny ala arovana. Mifanampy amin’izany koa ireo mponina eny an-toerana. Mitohy hatrany ny fanadihadiana ataon’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny, hanatsaharana ny fandoroana Tanindrazana.

Partagez :
Mahandry