Diplomasia : hitodika amin’ireo mpiara-miombon’antoka avy amin’ny firenena rehetra i Madagasikara

  • 13 mai 2024

Omena lanja manokana ny diplomasia ara-toekarena, izay mifototra amin’ny fampandrosoana ara-toekarena ary hanatsarana ny lafiny sosialy. Nisafidy ny diplomasia tsy manavaka ka hitodika amin’ireo mpiara-miombon’antoka avy amin’ireo firenena rehetra i Madagasikara raha eo amin’ny lafiny fiaraha-miasa sy fiaraha-mientana iraisam-pirenena. Tafiditra ao anatin’izany ny fanokafana ireo masoivoho vaovao any Abu Dhabi sy Maroc izay hanehoana ny fahavononan’i Madagasikara hanitatra ny fiaraha miasa ary hanehoana ny firosoana amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Nanatanteraka tafatafa tamin’ireo mpanao gazety io maraina io ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Rafaravavitafika Rasata izay niompana tamin’ny lohahevitra hoe: Madagasikara sy izao tontolo izao, ny fivoarana ara-stratejika amin’ny fiovan’ny firenena maneran-tany. Fanazavana sy famelabelarana mahakasika ny politika ivelan’i Madagasikara ary fotoana nanaovana tatitra mahakasika ireo diany sy ny dian’ny Filoham-pirenena tany ivelany no natao tamin’izany. Izao tontolo izao dia mitodika any amin’ny firenena any Asia izay hivondronan’ny 60 isan-jaton’ny mponina maneran-tany.

Ny dia rehetra izay tanterahan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ary ireo tompon’andraiki-panjakana dia mifototra amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena vahiny. Fotoana koa hitrandrahana seha-pihariana vaovao eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena ary hahafahana mitondra avo ny voninahitr’I Madagasikara mba hitadiavana fiaraha-miasa vaovao amin’ny alalan’ny fihaonana amin’ireo tomponandraiki-panjakana vahiny.

Tsiahivina fa ny volana febroary 2024 no naneho fa hanokatra masoivoho ao Abu Dhabi, renivohitry ny firenena Emirà Arabo mitambatra I Madagasikara. Tamin’ity volana mey ity kosa no nanolorana ara-pomba ofisialy ny taratasy maneho izany fahavononana izany. Toerana iray hahafahana miaro ireo Malagasy izay monina sy miasa ary mianatra any amin’ireo firenena hafa ary fomba hahafahana mijery manokana ny tombotsoan’ireo Malagasy ny fanànana masoivoho any an-toerana.

Diplomasia miahy ny vahoaka no tanterahana eto Madagasikara, miaro ny fiandrianam-pirenena amin’ny alalan’ny fivelarana amina firenena maro izay manana ny tanjany amin’ny lafiny ara-toekarena araka ny nambaran’ny minisitry ny raharaham-bahiny. Maneho ny fahavononany koa I Madagasikara mba ho mari-toerana amin’ny sehatra diplomatika eo anivon’ny firenena Afrikanina ary manome lanja ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena tatsimo. Manao ny ezaka rehetra ny Governementa Malagasy hahatonga an’I Madagasikarea ho sompitra lehibe eto anivon’ny ranomasimbe indianina.

Hivoaka tsy ho ela ny politika ivelan’I Madagasikara izay ho velabelarin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny. Tafiditra ao anatin’izany ny fisintomana ny fampiasam-bola vahiny, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanofanana arak’asa, ny fijerena ny fampiasam-bola vahiny hamatsiana vola ireo tetikasam-pampandrosoana, ary hahafahana manondrana ireo vokatra tsara eto any amin’ireo tsenam-barotra vaovao.

Ankoatra izay dia mitohy ny fiaraha-miasan’i Madagasikara eo amin’ny Vondrona Eropeanina , izany dia nohamafisina tamin’ny alalan’ny fankatoavana ny fiaraha-miasa vaovao « Samoa ».

 

Partagez :
Natacha Hasimbola