CSM (Conseil Supérieur de la Magistrature) : mamarana ny fotoam-piasana

  • 4 décembre 2023

Ho famaranana ny fotoam-piasan’ireo mpikambana ao amin’ny CSM(Conseil Supérieur de la Magistrature) dia nanatanteraka fivoriana tao amin’ny Biraon’ny CSM Tsaralalana izy ireo androany alatsinainy faha 4 desambra 2023, raha toa ka  ny talata faha-5 ny volana desambra 2023 no hanaovana ny famindram-pahefana amin’ireo mpikambana vaovao handrafitra ny CSM, amin’ny fotoam-piasana manaraka.

Marihina fa ity no fivoriana farany amin’ity taona 2023 ity. Nisaotra  ireo mpikambana tamin’ny asa vitany araka izany ny  Minisitry ny Fitsarana Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, izay sady Filoha Lefitry ny CSM ary koa nitondra sosokevitra amin’ireo zava-dehibe tokony mbola handraisana fanapahan-kevitra nandritra ny fivoriana .

Partagez :
Mahandry