Covid-19: 4 ny tranga voamarina tamin’ny fitiliana 952 natao omaly.

  • 1 septembre 2021

Olona 4 no voamarina fa mitondra  ny tsimokaretina Coronavirus, tamin’ireo 952 nanao fitiliana omaly faha 31 aogositra  2021. Teto amin’ny faritra  Analamanga ny 2 tamin’izy ireo, tao Matsiatra Ambony ny 2 hafa. Tsy misy ny lavo tao anatin’ny iray andro, manerana ny Nosy. Marary  1 kosa no sitrana soa aman-tsara. 8 amin’ireo manaraka fitsaboana no ao anatin’ny fahasarotana.

Nanomboka ny 23 marsa 2020, mitontaly 42 873 ny tranga voamarina teto Madagasikara; hita tamin’ny alalan’ny fitiliana miisa 243 994. Sitrana ny 42 579 tamin’ireo, manome ny taham-pahasitranana 99,32%. Namoy ny ainy kosa ny 956, izany hoe 2,23%n’ny marary.

Partagez :
Mahandry