COP 28 Dubaï : hitondra ny anjara birikiny i Madagasikara

  • 29 novembre 2023

Mandray anjara amin’ny fivoriambe  COP28 i Madagasikara amin’ny alalan’ireo solontena  avy amin’ny Fanjakana, ny mpiara-miombon’antoka sy ny sehatra tsy  miankina, firaisamonim-pirenena ary ny solontenan’ny fikambanan’ny tanora misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Hisy ny fizarana traikefa, fifanakalozana eo amin’ny  sehatra  isan-karazany . ». Ny fitaratry ny fandraisan’andraikitr’i  Madagasikara amin’ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro dia aseho ao amin’ny « Pavillon de  Madagasikara » ao amin’ny « Blue Zone ».

Tsiahivina fa hanomboka amin’ny fomba  ofisialy ny 30 novambra ary hifarana ny 12 desambra ny « 28e Conférence des Nations Unies sur le climat (COP28) » na Fivoriambe faha 28 ny Firenena mikambana momba ny fiovan’ny toetrandro izay atao any Dubaï – Émirats Arabes Unis.

Partagez :
Mahandry