COP 28 – Dubaï : handraisana fepetra goavana hamerana ny fiakaran’ny maripana ho 1,5°C.

  • 1 décembre 2023
Firenena maromaro tamin’ireo nandray anjara tamin’ny COP28 no nanolotra famatsiam-bola ho an’ny tahirim-bola “fahavoazana sy ny fanonerana » ho an’ireo firenena mizaka ny vokadratsin’ny fiovan’ny toetrandro nefa zara raha mandoto ny tontolo iainana.
Anisan’izany ny Fiombonaben’ny firenena Arabo izay mandray izay nanolotra famatsiam-bola mitentina 100 tapitrisa dolara raha toa ka nanolotra 100 tapitrisa dolara ny firenena Alemana. Vola mitentina 75 tapitrisa dolara kosa no natolotr’i Angletera ary 10 tapitrisa dolara ny an’i Japon.
Nandritra izany koa ny nahafantarana fa fotoana izao handraisana fepetra goavana hamerana ny fiakaran’ny maripana ho 1,5°C.
Ireo no anisan’ny nisongadina nandritra ny lanonana fanokafana ny COP28 izay teo ambany fitarihan’ i Sultan Al Jaber, Filohan’ny COP28, sy Simon Stiell, Sekretera Mpanatanteraka ny CCNUCC.
Niatrika ity lanonam-panokafana ity Rabemananjara Nicolas Filohan’ny Antenimierandoholona mpisolo toerana sy ny Minisitra Vina Marie-Orléa ary ny solontenan’ireo parlemantera.
Partagez :
Mahandry