CNIM : Tafapetraka ny Filankevitra nasionaly 

  • 22 novembre 2023

Notanterahina ny 20 novambra 2023 tetsy  amin’ny EDBM Antaninarenina ny fifanekena momban’ny fandaharan’asa maharitra ho an’ny indostria. Nandritra ny fivoriambe dia nisy ny fifidianana ka lany  ho filohan’ny filan-kevitra nasionaly ho amin’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara (CNIM) i Christian  Rasoamanana raha toa ka i Hassim Amiraly kosa no nofidian’ny mpikambana ho Filoha lefitra. Nofidiana manokana hananganana ny rafitra ny io daty io amin’ny maha andro maneran-tany ho an’ny fampandrosoana ny indostria aty Afrika azy.

Marihina fa  natokana hisahana ny fitantanana stratejika sy ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny fifanarahana ny CNIM. Antoka ho amin’ny fanatanterahan’ny andaniny sy ankilany araka ny tokony ho izy ny andraikiny, ankapobeny sy isa-tsehatra, mifanaraka amin’ny dingana sy ny tetiandro voafaritra mialoha ary ny fitohizan’ny  asa ny CNIM satria hanao tatitra isaky ny enim-bolana momban’ny fanatanterahana ny fifanekena. Tsiahivina fa mamaritra ny lalan-jotran’ny indostria hatramin’ny taona 2040 sy ny fomba hanatrarana izany ny fifanekena.Mandrafitra ny CNIM ireo mpikambana tendren’ny tsirairay avy , nanao sonia ny Fifanekena hiasa mandritra ny 3 taona azo havaozina indray mandeha. Manendry olona ho ao amin’ny CNIM, araka izany, ny MICC sy ny MEH, ho an’ny Fanjakana, ary ireo Vondron’ny mpandraharaha miisa 9 misolo tena ny sehatra tsy miankina.

Tanjona ny hanatsara ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fitantanana, ny famatsiam-bola, ny fotodrafitr’asa sy ny fanofanana. Napetraka ho laharam-pahamehana araka izany ny seha-pihariana dimy dia ny fandraharahana hanodinana ny vokatry ny fambolena, ny momba ny lamba, ny lohamenaka, ny indostria mpanodina ny harena ankibon’ny tany ary ny famokarana angovo azo havaozina.

Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny Fivoriambe ny minisitra, Edgard Razafindravahy. Dingana voalohany amin’ny fanatanterahana ny fifanekena momba ny fandaharan’asa maharitra ho an’ny indostria, vita sonia teo amin’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina ny 31 Jolay 2023, izao fametrahana ny CNIM izao hoy izy.

 

Partagez :
Mahandry