CNaPS : tsy misy porofo sy tsy nandalo ny filan-kevi-pitantanana ny fikasana haka vola 20 miliara

  • 14 juillet 2023

Tsy nisy fangatahana voarain’ny Filan-kevi-pitantanan’ny CNaPS ny momba ny vola 20 000 000 000 ariary lazaina fa nangatahina tamin’ity rafitra ity hikarakarana ny Lalaon’ny Nosy. Tsy misy taratasy na porofo voaray momba izany, hoy ny filohan’ny filan-kevi-pitantanan’ny CNAPS, Randrianasolo José androany 14 jolay 2023. Resaka iniana aely izany, hoy izy. Ny minisitry ny Asa, ny Fampanana asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna sosialy koa dia efa nanambara fa tsy misy izany tranga izany.

Mikasika ny filazana ny filana io vola 20 miliara io amin’ny fanatsarana ny « Complexe sportif CNaPS Vontovorona » dia nambaran’ny filohan’ny Filan-kevi-pitantanana ny CNAPS fa ny Fanjakana no nanambara ny handray an-tanana ny fanatsarana io kianja io. Nanolotra azy ho azo ampiasaina amin’ny fandraisana taranja vitsivitsy amin’ny lalaon’ny Nosy no anjaran’ny CNaPS. Na izany aza tafiditra amin’ny asa andavanandron’ny CNaPS ny fanadiovana io toerana io. Anisan’izany ny fanalana lobolobo.

Tsiahivina fa anisan’ny resaka niely nambara ho antony nampidirana am-ponja ny tale jeneraly mpisolo toeran’ny CNaPS, Tsaboto Joslina, ny filazana fa nanda ny fangatahana famoahana io vola 20 miliara io. Nahazo fahafahana vonjimaika ity tale jeneraly mpisolo toerana ity ny 6 jolay teo taorian’ny nampidirana azy teny Antanimora.

 

Partagez :
Mahandry