CHU Andohatapenaka : aretin’ny sofina no mahazo ny 50% ny olona nanao fizahana

  • 19 octobre 2021
Saika mahakasika ny aretin’ny sofina ny 50% ny olona nanao fizahana teo amin’ny sampan-draharaha misahana ny taovam-pandrenesana teo Andohatapenaka androany 19 oktobra.
Avy amin’ny otrik’aretina “microbe” na noho ny fahanterana no antony mahatonga ny olona hanana olana eo amin’ny taovam-pandrenesana, raha nambaran’i Dr Andriamampionona Bertin.
Ankoatr’izay, miha tanora ny olona voan’ny homamiadan’ny tranon-jaza sy ny nono satria manodidina ny 35 taona ka hatramin’ny 45 taona ny ankamaroany raha ny raisina an-tanana eo anivon’ny CHU Andohatapenaka. Mba hisorohana izany dia tokony hanao fizaham-pahasalamana ny vehivavy iray aorinan’ny fidirana amin’ny firaisana ara-nofo voalohany.
Raha ny eto Madagasikara anefa dia mbola tsy tafiditra ao an-tsain’ny olona mihitsy ny hanao fizahana ara-pananahana tsotra, raha ny fanazavan’i Dr Rakotoarimanana Mino, Genycologue.
Noho ny valan’aretina covid-19 dia niha vitsy ny olona manantona eny anivon’ny CHU Andohatapenaka ka anisan’ny anton’ny nanaovana ny varavarana misokatra androany sy rahampitso ny fampafantarana ny tolotra misy ary fizahana maimaimpoana amin’ny aretina rehetra izay raisina an-tanana eny an-toerana .
Partagez :
Mahandry