CHEN Lijuan : notolorana ny  mari-boninahitra « Médaille de la Défense »

  • 18 décembre 2023

Mihamafy orina ny fiarahamiasa eo amin’ny repoblika enti-mbahoakan’i Sina sy ny Tafika Malagasy. Notolorana « Médaille de la Défense » i CHEN Lijuan, izay talen’ny fampianarana tao amin’ny  » institut Confucius » oniversiten’Antananarivo.

Mampianatra teny sinoa eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, sy ny Akademia Miaramila ao Antsirabe “ACMIL”, ary ny Sekoly Miaramilam-pirenena “SE.MI.PI” any Fianarantsoa ity teratany sinoa ity. Natao izao ho fankasitrahana ny asa vitan’izy ireo ho an’ny Tafika Malagasy hoy ny avy eo anivon’ny minisitera.

Mpiara-miombonantoka amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena amin’ny lafiny maro i Sina. Tafiditra amin’izany ny lafiny fampitaovana , ny fizarana traikefa sy fahaiza-manao amin’ny fampiofanana, ary ny fanatevenenana ny fahaiza-manaon’ny Tafika Malagasy.

Teo ambany fiahian’ny Jeneraly Rakotoarijaona Josoa ny lanonana ara-miaramila ary notronin’ny mpiandraiki-draharaha eo anivon’ny Masoivohon’ny Repoblika entim-bahoakan’i Sina miasa sy monina eto Madagasikara,  Zhang Wei, sy ireo delegasiaona sinoa notarihin’ny Amiraly Zhu Haiwen, solontenan’ny lehiben’ny Oniversiten’ny Fiarovana any Sina ». Nisy  ny atrikasa niarahan’ny tafika roa tonta taorian’ny lanonana.

Partagez :
Sissie Raveloson