Cheffe Mariette Andrianjaka : very olomanga ny tontolon’ny nahandro

  • 28 novembre 2023

Nodimandry omaly Alatsinainy 27 Novambra i Cheffe Marriette Andrianjaka, vehivavy sangany teo amin’ny sehatry ny lakozia teto Madagasikara. Izy no vehivavy voalohany nahatahiry ny fanaovana hanimpitoloha tamin’ny androan’ny fahapanjaka sy nahampahafantatra ny haitsiro malagasy maneran-tany.

50 taona nanaovana lakozia sy nizarana fahaiza-mahandro ary toro-hevitra momban’ny sakafo izy izao nodimandry izao. Maro ny hetsika efa nandraisany anjara toy ny hetsika « Haify mampihavana , hanandratra ny sakafo malagasy sy ny tantarany ».

Partagez :
Mahandry