CFFA vs INTERCLUBE: hivoha amin’ny 12 ora ny vavahady

  • 17 octobre 2021

Hivoha manomboka amin’ny 12 ora antoandro ny kianjan’i Barea Mahamasina anio, amin’ny fampidirana ny mpijery hanohana ny CFFA amin’ny lalao hifandonany amin’ny INTERCLUBE (Angola). Hanomboka amin’ny 4 ora tolakandro ny lalao. Fihaonana izay tafiditra amin’ny ampahenina ambin’ny folon-dalana amin’ny fifanintsanana hiadiana amboaran’ny CAF. « Vonona handresy ny mpilalao malagasy », hoy Titi Rasoanaivo, mpanazatra ny CFFA. Marihina fa 5 000 Ariary ny saram-pidirana amin’ny « gradin » ; 10 000 Ariary ny “tribune latéral », 50 000 Ariary kosa ny “tribune central”.

Partagez :
Mahandry