CEPE: vinavinaina hivaly afaka 4 andro

  • 20 juin 2023
 Vinavinaina hivaly 4 andro hatramin’ny 10 andro aorian’ny androany ny fanadinam-panjakana CEPE hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle. Hanomboka rahampitso 21 jona avy hatrany ny fitsarana ny taratasim-panadinana.
Tao amin’ny CEG Avaradoha, fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo renivohitra ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, no nanokatra ny laza adina CEPE androany 20 jona 2023.
Zaza malagasy 515 081 no miatrika ity fanadinam-panjakana voalohany ity amin’izao. 99 amin’ireo mpiadina ireo no manana tsy fahatomombanana ara-batana.
Hanombohana ny fanadinana ny tapany maraina ny taranja “Opération”, tohizana amin’ny “Problème”, “Connaissance usuelle” ary hofaranana amin’ny Tantara sy Fanabeazana fampivelarana mahaolo-mendrika.
 Ny tapany hariva kosa no hanaovana ny taranja Malagasy sy “Français” ary “Géographie”.
Partagez :
Mahandry