CEPE : hivaly alohan’ny 26  jona

  • 23 juin 2023

Vantany vao vita ny fanadinana CEPE ny 20 jona teo dia natomboka ny fitsarana ny taratasim-panadinana sy ny fandravonana ny naotin’ny mpiadina. Ivom-pitsarana 114 no miantrana manerana ny nosy ary antenaina fa hivaly mialoha ny fetin’ny fahaleovantena ny fanadinana.

Ho an’Antananarivo renivohitra dia ny lisea Ampefiloha no toerana hanatanterahana izany ary efa noraisina ny fepetra rehetra manoloana ny fahatapahan’ny jiro matetika mba tsy  ho faty ireo solosaina ampiasaina ka hitohy tsy tapaka ny asa.

 

Partagez :
Mahandry