Centre d’accueil « Mitsinjo » Isotry: hanome fampiofanana ireo marefo

  • 16 janvier 2024

Hanome fiofanana ho an’ireo olona marefo ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Mponina. Hivondrona anaty fikambanana izy ireo hahafahana mamaritra izay asa sy fiofanana tandrify ny tsirairay.

Avy hatrany dia nidina ifotony nitsidika ny ireo olona ao amin’ny ivon-toerana fampiantranoana ireo sahirana « Mitsinjo » ao Isotry androany ny minisitry ny Mponina , Fomendraza Haingo Elisette. Nanolotra kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ho azy ireo ny tenany.

Hanampy anaty fotoana voafetra ny fitondram-panjakana saingy kosa mila miezaka izy ireo hanatsara ny fari-piainany tsirairay avy. Ho ampianarina fahaiza-mitantana koa ireo olona ireo mba hahafahany mitahiry ny vola azony. Ho jerena koa ny hahafahana mampahaleo tena ireo vehivavy araka ny nambarany.

Partagez :
Natacha Hasimbola