CENI : vonona hanampy sy hizara traikefa i Inde sy Indonésie

  • 7 février 2023

Naneho ny fahavononan’ny fireneny  hanome tanana ny  fanatevenana ny fahaiza-manaon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) sy ny fanohanana ara-pitaovana ny masoivohon’i Inde miasa sy monina eto Madagasikara, Bandaru Wilsobabu, raha nihaona tamin’ny filohan’ity sampandraharaha mikaraka fifidianana ity,  Dama Arsène, androany.

Naneho izay  fahavononany amin’ny fiaraha-miasa amin’ny CENI izay koa  ny masoivohon’ny Repoblikan’i Indonesia eto Madagasikara, Benny Yan Pieter Siahaan, raha tonga nitsidika am-panajana ny filohan’ny Voamieram-pirenena misahana ny fididianana izy.

Zava-dehibe amin’ny CENI ny fifanakalozana toy izao amin’ny fitantanana ny zotram-pifidianana eto Madagasikara indrindra amin’ny fifampizarana traikefa amin’ny fikirakirana fifidianana mangarahara sy eken’izao tontolo izao.

Partagez :
Mahandry