CENI : “sady tsy niampy no tsy nihena ny mpifidy ao anaty lisitra…”

  • 10 novembre 2023

Ny mpifidy 11 043 836 voarakitra tamin’ny lisitra nofaranana tanteraka ny 20 jolay 2023 ihany no handatsa-bato amin’ny fifidianana filoham-pirenena sy izay fifidianana ho avy atsy ho atsy eto amin’ny firenena. Tsy nisy fanampiana mpifidy vaovao na koa fanesorana, na teo aza ny fanamarinana sy fanatsarana natao taorian’ny tolo-kevitry ny mpanao fitsirihana.

Fanitsiana ny mombamomba ny mpifidy izay nisy fahadisoana tamin’ny fampidirana azy tao anaty solosaina no natao nandritra ny 20 andro ny volana aogositra 2023 teo. Niverenana nojerena ny takelaka fanisana mpifidy ary nahitsy avokoa izay mety ho nisy diso. Raha sanatria mbola misy tsy fahatomombanana dia ilay takelaka nofenoin’ny mpanisa mpifidy mihitsy no nisy tsy fetezana, hoy ny fanazavan’ny talen’ny Kabinetran’ny CENI, Andriamifidy Jean Louis. Mba hialana amin’izany no antony namelana ny olona isaina hamaky vao manao sonia ny takelaka.

Mikasika ny fangatahana nataon’ny CENI tamin’ny Fitsarana mba hahafahana mampiditra olompirenena feno taona tsy voasoratra, dia nambaran’ity tomponandraikitra ity fa tsy nisy ny valiny azo momba izany. Mijanona ho ireo mpifidy tafiditra tamin’ny fanavaozana tanteraka nofaranana iny, araka izany, no ho afaka mandatsa-bato. Miandry ny fanavaozana isan-taona manaraka indray vao tafiditra anaty lisitry ny mpifidy ireo olompirenena ireo.

Partagez :
Romuald