CENI : 78% n’ny kara-pifidianana no efa voazara

  • 24 octobre 2023

Mbola manana folo andro, izany hoe hifarana ny 2 novambra izao ny fe-potoana voafaritra hitsinjaranan’ny CENI ny karatry ny mpifidy amin’ny olom-pirenena isan-tokantrano manerana ny Nosy. Mamaramparana ny asa ny eny anivon’ny fokontany amin’izao.

Ho an’i Madagasikara manontolo, manodidina ny 78 % ny karatry ny mpifidy voazara. Ny faritra Atsimo Atsinanana no manana salanisa ambony indrindra amin’izao, izay nahatratra 98%.

Ho an’ny faritra Boeny, izay nandalovan’ny filohan’ny CENI, amin’izao dia manodidina ny 70% ny voazara. Nisy ny fitsidihana fokontany omaly 23 oktobra, nitondrana fankaherezana ho an’ny mpikatroka ifotony. Isan’ny notsidihina ny tao Mahatsinjo. Maherin’ny 90% ny karatry ny mpifidy voazara amin’ity fokontany ity. Miisa 3 952 ny mpifidy ao. 3 696 amin’ireo no efa naharay ny karatra.

Notsindrian’ny CENI fa ny fizarana ny karatry ny mpifidy isan-tokantrano no ho tapitra ny 2 novambra. Mbola afaka maka izany eny amin’ny biraom-pokontany kosa ny olom-pirenena mbola tsy naharay ny azy. Azo atao koa ny maka izany eny ivelan’ny birao fandatsaham-bato amin’ny androm-pifidianana.

Partagez :
Romuald